Kalifata Abasida
Ny Kalifata Abasida no kalifata fahatelo nandimby ny mpaminany silamo Mohamady. Ny tarana-mpanjaka avy amin' ny dadatoan' i Mohamady, Abbas ibn Abd al-Muttalib (566–653) no nanangana azy io. Kalifa avy ao Bagdad renivohitra, any Iràka ankehitriny, ho an' ny ampahany be amin' ilay kalifata izy ireo, rehefa avy nanongana ny Kalifata Omeiada tamin' ny Revôlisiôna Abasida tamin' ny taona 750 (taona 132 amin' ny tetiandro mozilmana). Ny Kalifata Abasida dia nametraka ny governemantany voalohany tao Kufa, ao Iràka ankehitriny, saingy tamin' ny taona 762 dia nanangana ny tanànan' i Bagdad ny kalifa Al-Mansur, akaikin' i Babilôna, renivohitra babilôniana fahiny, sy i Ktesifôna tanàna persiana. Lasa ivon' ny siansa sy ny kolontsaina ary ny famoronana i Bagdad tamin' ilay antsoina hoe "Andro Volamenan' ny Silamo". Izany, ankoatry ny fametrahana ireo andrim-pampianarana fototra maro, anisan' izany ny Tranon' ny Fahendrena, ary koa ny tontolo misy foko maro sy fivavahana maro, dia nahazo laza iraisam-pirenena ho "Ivontoeram-Pianarana".
Ny vanim-potoana abasida dia nanamarika ny fiankinan-doha amin' ny mpitondra am-birao persiana (toy ny fianakaviana Barmakida) amin' ny fitantanana ny tanin' ilay kalifata ary koa ny fitomboan' ny fampidirana ny Mozilmana tsy Arabo ao amin' ny Ummah (vondrom-piarahamonin' ny Mozilmana rehetra). Ny fomba amam-panao persiana dia noraisin' ny mpitondra ambony, izay nanomboka niaro ny mpanakanto sy ny manam-pahaizana. Na dia teo aza io fiaraha-miasa voalohany io, ny Abasida tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-8 dia nanasaraka ny mawali (mpanompo) tsy Arabo sy ny mpitondra am-birao persiana. Voatery nanome ny fahefana hanapaka an' i al-Andalus (Espaina sy Pôrtogaly ankehitriny) ho an' ny Omeiada izy ireo tamin' ny taona 756, i Marôka ho an' ny Idrisida tamin' ny taona 788, i Ifriqiya sy i Sicilia ho an' ny Aglabida tamin' ny taona 800, i Khorasan sy i Transôksiana ho an' ny Samanida ary i Persia ho an' ny Safarida tamin' ny taona 870, ary i Ejipta ho an' ny Kalifata Fatimida (siita ismaelita) tamin' ny taona 969.
Ny tanjaka ara-pôlitikan' ny kalifa dia voafetra tamin' ny fiakaran' ny Boiida iraniana sy ny Tiorka Seljokida, izay naka an' i Bagdad tamin' ny taona 945 sy 1055. Na dia nihena tsikelikely ho fombafomba ara-pivavahana aza ny fitarihan' ny Abasida tamin' ny ampahany be amin' ilay kalifata teo amin' ny Empira Silamo midadasika, dia nitazona ny fifehezana ny faritr' i Mesôpôtamia nandritra ny fitondran' ny kalifa al-Muqtafi ity tarana-mpanjaka ity ary nanitatra hatrany Iràna nandritra ny fitondran' ny kalifa al-Nasir. Nifarana tamin' ny taona 1258 ny andron' ny fifohazana ara-kolontsaina sy ny fahavokarana nataon' ny Abasida tamin' ny fanaovan' ny Môngôly fahirano an' i Bagdad teo ambany fitondran' i Hulagu Khan sy ny famonoana an' i al-Musta'sim. Nifantoka indray tao an-drenivohitry ny Mameloka ao Kahira ny taranaka mpitarika abasida, sy ny kolontsaina silamo amin' ny ankapobeny, tamin' ny taona 1261. Na dia tsy nanana fahefana ara-pôlitika aza izy ireo (afa-tsy ny kalifa al-Musta'in tao Kahira) dia nanohy nitaky ny fananany fahefana ara-pivavahana ilay tarana-mpanjaka nandritra ny taona vitsivitsy taorian' ny fandresen' ny Ôtômana an' i Ejipta tamin' ny taona 1517, ary ny kalifa abasida farany dia i Al-Mutawakkil III.