Slava (vahoaka)
Ny Slava na Slavy dia vondrom-poko ara-piteny indô-eorôpeana, izay miteny amin' ny fiteny slava isan-karazany ao amin' ny vondrom-piteny baltô-slava. Teratany any Eorazia izy ireo, hatrany Eorôpa Afovoany, Atsinanana ary Atsimo, avaratra sy atsinanana ka hatrany avaratra-atsinanana amin' i Eorôpa sy any Azia Avaratra (Siberia), ary any Azia Afovoany (indrindra fa i Kazakstàna sy i Torkmenistàna), ary koa ny ara-tantara tany Eorôpa Andrefana (indrindra fa any Alemaina Atsinanana) sy Azia Andrefana (anisan' izany i Anatôlia). Nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taonjato fahenina dia niparitaka izy ireo ka nipetraka tany amin' ny ankamaroan' ny firenena any Eorôpa Afovoany sy Atsinanana ary Atsimo-Atsinanana. Noho ny fifindrà-monina dia misy diaspôra slavy lehibe ankehitriny ny any Amerika Avaratra, indrindra any Etazonia sy any Kanada.
Ny Slava no vondrom-poko ara-piteny lehibe indrindra any Eorôpa. Ny Slava ankehitriny dia sokajiana ho Slava Tatsinanana (indrindra ny Belarosiana, ny Rosiana, ny Roteniana ary ny Okrainiana), Slava Tandrefana (indrindra indrindra ny Tseky, ny Kasobiana, ny Môraviana, ny Pôlôney, ny Sileziana, ny Slôvàka ary ny Sôràba) ary Slava Tatsimo (indrindraindrindra ny Bôsniaka, ny Bolgara, ny Krôatiana, ny Gôràna ary ny Makedôniana, ny Môtenegrina, ny Serba ary ny Slôvena).
Azo sokajiana araka ny fivavahany ny Slava. Manaraka ny kristianisma ôrtôdôksa ny ankamaroany. Ahitana Belarosiana, Bolgara, Makedôniana, Môntenegrina, Rosiana, Rosina, Serba ary Okrainiana ny Slava ôrtôdôksa, ary faritana amin' ny fomba amam-panao ôrtôdôksa sy ny soratra sirilika, ary koa ny fifandraisany ara-kolontsaina amin' ny Empira Bizantina (mampiasa ny soratra latina koa ny Môntenegrina sy ny Serba, hanoratany fiteny mitovy). Ny katôlika rômana no fivavahana kristiana faharoa be mpanaraka indrindra. Ahitana Krôatiana, Tseky, Kasobiana, Môraviana, Pôlôney, Sileziana, Slôvaka, Slôvena ary Sôràba ny Slava katôlika, ary voafaritra amin' ny fiantraikany sy ny lova latinany ary ny fifandraisany amin' i Eorôpa Andrefana. Misy ihany koa ny Prôtestanta sy ny Loterana vitsy anisa, indrindra fa ny Slava Tandrefana, toy ny Hosita tany Bôhemia (Tseky) ara-tantara.
Ny fivavahana faharoa lehibe indrindra amin' ny Slava, aorian' ny kristianisma, dia ny silamo. Anisan' ny Slava mozilmana ny Bôsniaka, ny Pômàka (Mozilmana bolgariana), ny Gôrany, ny Tôrbesy (Mozilmana makedôniana), ary Mozilmana hafa avy any Iogôslavia taloha. Tena samihafa ara-pitaranahana sy ara-kolontsaina ny firenena sy ny vondrom-poko slava ankehitriny, ary ahitana firaisankina ara-poko ka hatramin' ny fifandrafiana anatiny ny fifandraisan' izy ireo - na ao anatin' ny vondrona tsirairay aza.
Ny vondrona ara-piteny
[hanova | hanova ny fango]Fanasokajiana ara-paritra
[hanova | hanova ny fango]Ny vondrom-poko ara-piteny slava telo lehibe dia:
- ny Slava Tatsinanana: Rosiana (150 tapitrisa), Belarosiana (15 tapitrisa) ary Okrainiana (45 tapitrisa), izay nampiana vondrona kely kokoa toa ny Roteniana (2 tapitrisa) sy ny Hotsola ary ny Lipôvana (tokony ho 500 000 avy);
- ny Slava Tandrefana: Pôlôney (38 tapitrisa), Tseky (15 tapitrisa) ary Slôvaka (5 tapitrisa), miampy vondrona kely kokoa toa ny Sôràba sy ny Kasobiana ary ny Sileziana (latsaky ny 500 000 avy);
- ny Slava Tatsimo: Slôvena (3 tapitrisa), ireo vahoaka ao amin' ny vondrom-piteny slava afovoany-atsimo (21,8 tapitrisa, mizara ara-pôlitika ho Krôatiana (6,5 tapitrisa), Bôsniana (3,5 tapitrisa), Serbiana (11,5 tapitrisa) ary Môntenegrina (233 000 hatramin' ny 450 000)), ny Makedôniana (3 tapitrisa) ary ny Bolgariana (9 tapitrisa), izay nampiana vondrona kely kokoa toa ny Pômaka sy Karasôvena.
Fiteny slava
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny fomba fijery ara-piteny dia tena mifanakaiky ny fiteny slava sasany, nefa tsy midika izany fa mora ny fifankahazoana. Ireto avy izy ireo:
- Fiteny slava atsinanana (fiteny rosiana, fiteny okrainiana ary fiteny belarosiana);
- Fiteny slava andrefana, misy vondrona telo, dia ny fiteny lesitika (fiteny pôlôney sy fiteny kasobiana), ny fiteny sôrabiana, ny fiteny tseky sy ny fiteny slôvaka;
- Fiteny slava atsimo, misy vondrona roa: tandrefana (fiteny krôatiana, fiteny bôsniaka, fiteny serbiana ary fiteny môntenegrina, fiteny slôveniana) sy ny atsinanana (fiteny bolgariana sy fiteny makedôniana).
Tany onenan' ny Slava ankehitriny
[hanova | hanova ny fango]Ny firenena slava
[hanova | hanova ny fango]Ity ny lisitry ny firenena slava voasokajy araka ny isan' ny mponina.
- Rosia: 146 780 700 mponina (tamin' ny taona 2019);
- Okraina: 44 983 019 mponina (tamin' ny 2019);
- Pôlônia: 38 282 325 mponina (tamin' ny 2020), mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana;
- Tsekia: 10 649 800 mponina (tamin' ny 2019), mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana;
- Bielarosia: 9 477 918 mponina (tamin' ny 2020);
- Serbia: 7 078 110 mponina (tamin' ny 2018);
- Bolgaria: 6 966 899 mponina (tamin' ny 2020), mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana;
- Slôvakia: 5 440 602 mponina (tamin' ny 2020), mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana;
- Krôasia: 4 105 493 mponina (tamin' ny 2018), mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana;
- Bôsnia-Herzegôvina: 3 835 586 mponina (tamin' ny 2020);
- Makedônia Avaratra: 2 125 971 mponina (tamin' ny 2020);
- Slôvenia: 2 070 050 mponina (tamin' ny 2018), mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana;
- Môntenegrô: 609 859 mponina (tamin' ny 2020).
Ny diaspôra slava
[hanova | hanova ny fango]Misy diaspôra slava lehibe eran-tany: any Etazonia, Kanada, Aostralia, Frantsa, Fanjakana Mitambatra, Alemaina ary Pôrtogaly.
Ankoatr' izay dia ampahany manan-danja amin' ny mponina ao amin' ny firenena maro vokatry ny faharavan' ny Empira Rosiana teo aloha sy ny Firaisana Sôvietika taloha toa an' i Torkmenistàna (7 %), i Kirgizstàna (8 %), i Ozbekistàna (9 %), i Litoania (15 %), i Môldavia (16 %), i Kazakstàna (26 % eo ho eo, vahoaka lehibe indrindra amin' ny isa), i Estônia (29 %), i Letônia (36 %) ary mihoatra noho izany aza any amin' ireo tany milaza tena ho repoblika mahaleo tena, izay tsy ekena eo amin' ny sehatra iraisam-pirenena, ary miankina tanteraka amin' ny Federasionan' i Rosia: Abkazia (11 %), Ôsetia Atsimo (10 %) ary Transnistria (eo amin' ny 62 %).