Protista
Ny Protista dia zavamananaina bitika eokariôta izay manana fandaminan-tsela lazaina hoe tsotra, matetika tokan-tsela, nefa indraindray koa maro sela fa tsy misy tambatsela manana asa manokana. Izy ireo dia Eukaryota hafa ankoatra ny biby (Animalia), holatra (Fungi) na zavamaniry (Plantae) an-tanety. Tena tsy ranoray ity vondrona ity, na amin' ny fomba fijery ara-taova na ara-batana. Ny prôtista sasany dia zavamananaina aotôtrôfa, mihinana akora mineraly (Protophyta), ny hafa dia heterôtrôfa, mihinana akora ôrganika efa misy rahateo (Protozoa) ary ny hafa dia miksôtrôfa, sady mihinana akora mineraly no mihinana akora ôrganika efa misy rahateo (anisany ny Dinophyta sasany).
Noforonin' i Ernst Haeckel tamin' ny taona 1866 ny teny hoe "protista", avy amin' ny teny grika hoe protistos, avy amin' ny hoe protos, "voalohany", satria nametraka ao anatin' io taksôna io ny zavamananaina izay noheveriny ho voalohany indrindra teto an-tany ity biôlôjista ity.
Ao amin' ny fanasokajiana klasika dia namorona "fanjakana" fahefatra ao amin' ny "sehatra" Eukaryota ny Protista, saingy parafiletika ity vondrona ity. Voatery nivoatra avy amin' ny eokariôta voalohany tsotra kokoa - dia ny prôtista - ny "fanjakana" telo lehibe hafa (Plantae sy Fungi ary Animalia). Noho izany dia mamondrona ny firazanana fototra rehetra amin' ny Eukaryota tsy mampiditra ireo "fanjakana" telo lehibe ireo ny prôtista. Izany parafilia izany no nahatonga ny Protista ho taksôna tsy mitombina, nefa mbola ilaina io anarana io rehefa miresaka momba ny Eukaryota tokan-tsela.
Ao amin' ny fanasokajiana klasika taloha dia mitsinjara telo ny fanjakan' ny prôtista amin' ny ankapobeny:
- ny Protozoa, misy ifandraisany amin' ny biby;
- ny Protophyta, misy ifanahafany amin' ny zavamaniry;
- ny Mycetozoa misy fifanahafany amin' ny holatra.
Farafahakeliny dia 75 % amin' ny karazana ao amin' ny Eukaryota ny prôtista. Mahatonga azy ho sokajy mampiditra ny tsy voasokajy rehetra io fisiana fahasamihafana lehibe io.
Ny Protista no fototry ny tambajotran-tsakafo an-dranomasina, manana anjara toerana lehibe ao amin' ny tsingerina biôjeôsimika izy ireo. Ny Protista dia ampahany manan-danja amin' ny fitambaran' ny karazan-javamananaina: misy karazana tombanana ho 300 000 eo ho eo, ny 2/3 dia manana tsinjara toerana midadasika, indrindra any amin' ny ranomasimbe, ary manodidina ny 100 000 no mety manana tsinjara toerana voafetra kokoa, izany hoe tsy hita ombieniombieny na dia eo aza ny toeram-pivelomana mety aminy.
Manolotra asa ara-tontolo iainana manan-danja izy ireo, indrindra amin' ny fanadiovana ny rano, ny fifehezana ny etona karbônika sy ny mineraly ao anaty rano, ny jono, ny fanangonana akorandriaka ary ny fihariana anaty rano.
Nozaraina amin' ny vondrona lehibe isan-karazany ao amin' ny Eukaryota ny zavamananaina izay nosokajiana ho Protista taloha:
- Excavata (ohatra: ny Trypanosoma, ny Giardia);
- SAR: Straménopiles, Alvéolés, Rhizaires (ohatra: ny Bacillariophyta, ny Dinophyta, ny Paramecium);
- Archaeplastida (izay ahitana ny zavamaniry an-tanety sy ny ahidrano maitso ihany koa);
- Amorphea (izay ahitana ny biby sy ny holatra koa)