Aller au contenu

Markasita

Avy amin'i Wikipedia
Markasita

Ny markasita dia mineraly, karazan' ny pirita, manana taharo mitovy amin' ny an' ny pirita: FeS2. (disolfidan' ny vy), nefa disolfidan' ny vy misy rafitra kristaly miendrika goba. Miavaka amin' ny pirita koa ny markasita noho ny fahasamihafan' ny loko sy ny endrika kristalin' izy ireo, ary noho ny fisehony rehefa sedraina ara-tsimia. Mitovy hamafy amin' ny pirita ny markasita ary ny hakitrony dia eo anelanalan' ny 4,85 sy 4,90. Mora mirodana kokoa noho ny pirita ny markasita sady tsy fahita firy. Matroka ny markasita nefa manjelatra toy ny metaly, sady miloko mavo toa alimo hatsatra na somary fotsy rehefa vaky.

Ampiasaina amin' ny fanamboarana asidra solfiorika ny markasita, fa amin' ny ampahany kely kokoa noho ny an' ny pirita.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]