Aller au contenu

Fiziana (filôzôfia)

Avy amin'i Wikipedia

Ao amin' ny metafizika, ny fiziana dia manondro "ny maha izy ny zavatra", ny toetrany, izay avahana amin' ny fisiana (izay "hetsiky ny misy") sy amin' ny toetra mandalo izay an' ilay zavatra amin' ny fomba kisendrasedra tsy maharitra. Ny fiziana no mamaly ny fanontaniana hoe "inona ity?" momba ny zavara iray. Io teny hoe fiziana io no nandikana ny teny latina hoe essentia, avy amin' ny matoanteny hoe esse, izay nadika amin' ny teny malagasy hoe "mizy", fandikana ny teny grika hoe οὐσία / ousia.

Ny hoe "fiziana" dia voan-kevitra ivon' ny metafizika, noho izany dia manana tantara lava sy ahitan-javatra isan-karazany izy: novolavolaina voalohany ao amin' ny filôzôfia grika nataon' i Platôna sy i Aristôty, avy eo dia niverimberenana sy nandalo fanavaozana maro mandra-pahatongan' ny filôzôfia ankehitriny, indrindraindrindra tao amin' ny fenômenôlôjian' i Husserl.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]