Faritanin' i Hormozgan
Apparence
(tonga teto avy amin'ny Hormozgan)
Ny Faritanin' i Hormozgan (persana: هرمزگان / Hormozgân) dia iray amin' ny faritany iraika amby telopolo ao Iràna. Any atsimo amin' ilay firenena no misy azy, manoloana an' i Ômana. Ny velarany dia 68 475 km2, ary ny renivohiny dia i Bandar Abbas. Ity faritany ity dia manana nosy efatra ambin' ny folo ao amin' ny Hoala Persika ary manana morontsiraka mirefy 1 000 km.
Misy tanàna lehibe valo ilay faritany: i Bandar Abbas, i Bandar Lengueh, i Minab, i Bandar Charak, i Jask, i Bastak, i Bandar Khamir ary i Fin. Ity faritany ity dia misy departemanta iraika amby roapolo sy kaominina sivy amby enimpolo ary vohitra 2 046. Tamin' ny taona 1996 dia nahatratra 1,1 tapitrisa ny mponina tao amin' ilay faritany.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Faritany any Iràna: Alborz - Ardabil – Azerbaijan-e-Gharbi – Azerbaijan-e-Sharghi – Bushehr - Shahar Mahaal-o-Bakhtiari - Esfahan - Fars - Gilan – Golestan - Hamedan – Hormozgan - Ilam - Kerman - Kermanshah – Khorasan-e-Jonubi - Khorasan-e-Razavi - Khorasan-e-Shomali - Khuzestan - Kohkiluyeh-o-Boyer Ahmad - Kurdistan Iraniana – Lorestan - Markazi – Mazandaran - Qazvin – Qom – Semnan - Sistan-o-Baluchestan - Teheran - Yazd - Zanjan