Central Intelligence Agency
Fiseho

Ny Central Intelligence Agency (CIA), izay naorina tamin' ny alalan' ny National Security Act tamin' ny taona 1947, dia iray amin' ny sampam-pitsikilovana malaza indrindra any Etazonia. Izy no tompon' andraikitra amin' ny fahazoana onon-draha (indrindra amin' ny alalan' ny fitsikilovana) sy ny ankamaroan' ny asa atao an-tsokosoko ivelan' ny fizaran-tany amerikana. Ny CIA dia manana sata ara-dalàna ho sampandraharaha tsy miankina amin' ny governemantan' i Etazonia ary manao tatitra amin' ny Talen' ny onon-draham-pirenena ( anglisy: Director of National Intelligence).