Amin' ny fizika, ny lanja dia toetra anatin' ny zaka iray ara-pizika, habetsahana, izay tsy afa-misaraka aminy. Ny venty ampiasaina amin' ny fandrefesana ny lanja dia ny kilôgrama (kg) ao amin' ny Lamim-Benty Iraisam-Pirenena (frantsay: Système international d'unités; anglisy: International System of Units). Eo amin' ny fitenenana andavanandro dia matetika afangaron' ny olona ny lanja sy ny vesatra.

Varomizana vita amin' ny vy anidina

Noheverina fa misy ifandraisany amin' ny habetsahan' ny zaka ao anatin' ny raha ara-pizika izy io, mandra-pahitanana ny atôma sy ny fizikan' ny singa bitika. Hita fa ny atôma samihafa sy ny singa bitika fototra samihafa, izay mitovy habetsahan-jaka aza, dia manana lanja samy hafa. Ao amin' ny fizika niotôniana dia habe afaka mifanampy izy io, izany hoe ny lanjan' ny raha voaforon' ny ampahany dia ny fitambaran' ny lanjan' ireo ampahany ireo. Ny lanja dia mijanona ho tsy miova ao amin' ny lamina mitoka-monina tsy mifanakalo zaka amin' ny manodidina azy. Araka ny môdely mahazatra momba ny fizika singa bitika (potika), ny habetsahan' ny potika dia vokatry ny fifandraisany amin' ny sahan' i Higgs.