Ny Jiosy malagasy na Jody malagasy dia Malagasy mihevitra fa manam-piaviana jiosy (na jody) ka manandratra izany bebe kokoa raha mitaha amin' ny fiaviany hafa, sy ny Malagasy niova finoana ho amin' ny jodaisma. Maro tokoa ny Malagasy lazaina fa manam-piaviana jiosy[1].

Jiosy malagasy ara-pirazanana

hanova

Maro ny Malagasy milaza fa manana fiavina jiosy na hebreo[2] na dia mirona indrindra amin' ny fiaviana aostrôneziana sy afrikana aza ny porofo ara-tantara sy ara-pototarazo, dia mbola mitohy sy miseho amin' ny fomba samihafa izany fiheverana izany.

Fanamarinana ny fisian' ny Jiosy malagasy

hanova

Zavatra isan-karazany no entin' ny mpomba izany hevitra izany hanohanana ny fanambaràna ny maha Jiosy ny Malagasy sasany na ny ankamaroan' ny Malagasy[3]. Betsaka amin' izany ireo porofo miorina amin' ny filazana fa misy fitoviany ny zavatra sasany momba ny Malagasy sy ny Jiosy.

Lovantsofina sy fomba amam-panao

hanova

Ny fitoviana sasany misy eo amin' ny kolontsaina malagasy sy ny an' ny Jiosy dia etina manamafy ny nahatongavan' ny Jiosy teto Madagaskara. Manampy an' izany koa ny lovantsofina momba ny fiavian' ny foko sy fianakaviana sasany eto Madagasikara na ny fianakaviana sasany. Misy fomba amam-panao malagasy sasany mitovitovy amin' ny fomba amam-panao na tantara ara-Baiboly, ka mahatonga ny fiheverana ny mety hisian' ny fifandraisana amin' ny vahoaka jiosy.

Fiteny

hanova

Misy ny andalan-tsoratra na singan-teny ao amin' ny Baiboly izay heverin' ny teôlôjiana malagasy sasany fa miteny mivantana na ankolaka ny fahafantaran' ny Hebreo na ny Jiosy tany aloha an' i Madagasikara[4][5]. Ao koa ny voambolana malagasy sy ny voambolana hebreo izay mitovitovy fanobnonana[6]. Misy koa ny fitantarana fahitana vato sy zavatra hafa heverina fa voasoratra amin' ny litera hebreo[7].

Ny fisian' ny singa ara-kolontsaina avy any Atsinanana Afovoany

hanova

Ny singa ara-kolontsaina avy any Atsinanana Afovoany, izay matetika tonga amin' ny alalan' ny varotra miaraka amin' ny Arabo, dia nisy nadika ho fisian' ny Jiosy fahiny taty Madagasikara.

Ny amin' ny Foko Folo Very

hanova

Ny finoana ny fokon' i Israely folo very, niparitaka taorian' ny fandresen' ny Asiriana, dia nety nahatonga ny fiheverana fa nisy tamin' izy ireo no nifindra monina teto Madagasikara.

Ny foko malagasy lazaina fa manam-piaviana jiosy

hanova

Foko maro eto Madagasikara no milaza na lazaina fa manana razambe jiosy na hebreo. Ireto ny foko eto Madagasikara ahitana olona lazaina fa manam-piaviana jiosy:

Ny Antandroy

hanova

Manana lovontsofina mifandray amin' ny mety ho fananany razambe jiosy ny Antandroy any amin' ny faritra Androy any amin' ny tapany atsimon' i Madagasikara.

Ny Antemoro Anakara

hanova

Ny fananan' ny Antemoro Anakara any Manakara sy Vohipeno lovantsofina voasoratra sy ny fahaizany fanandroana dia misy manadika ho mariky ny fananany singan-kolontsana jiosy.

Ny Merina

hanova

Manana lovantsofina am-bava mampahatsiahy ny fanany razambe avy any ivelany, izay indraindray ampifandraisina amin' ny fiaviana jiosy, ny Merina any afovoan-tany, izay foko maro anisa indrindra eto Madagasikara.

Ny Zafibrahima

hanova

Milaza fa taranak' i Abrahama, patriarika tantaraina ao amin' ny Baiboly, ny Zafibrahima ao amin' ny Nosy Boraha (nosy Sainte-Marie)[8].

Olana momba ny fanamarinana

hanova

Na dia azo heverina ho marina fa misy manam-piaviana jiosy ny Malagasy, noho ny fifaneraseran' ny mponina eran' izao tontolo izao hatramin' ny Andro Taloha na talohan' izany aza, sy ny fifindrà-monin' ny Hebreo na Jiosy, dia betsaka ny olana ara-tantara, ara-kolontsaina, ara-pivavahana, ara-piteny sns izay mahasarotra raisina avy hatrany ny porofo anohanana ny maha Jiosy na Hebreo ny razan' ny Malagasy sasany na ny Malagasy rehetra. Ny ankamaroan' ny mpikaroka sy ny mpahay tantara dia manaiky fa ny porofo ara-tsiansa amin' izao fotoana izao dia tsy manamarina ny fananan' ny Malagasy fiaviana jiosy. Ny fanadihadiana momba ny fototarazo dia mampiseho fa ny fiaviana aostrôneziana (avy any Azia Atsimo-Atsinanana) sy Afrikana.

Tsy fisian' ny porofo ara-tantara mivantana

hanova

Tsy misy tahirin-kevitra ara-tantara voasoratra ankehitriny na firaketana arkeôlôjika manan-danja izay manamarina ny fifindra-monina faobe na ny fisian' ny Jiosy na Hebreo manan-danja teto Madagasikara tamin' ny Andro Taloha. Ny loharanom-baovao an-tsoratra misy dia mahakasika indrindra ny fifandraisana vao haingana amin' ny Arabo sy amin' ny Eorôpeana ary amin' ny ny mponina hafa ao amin' ny Ranomasimbe Indianina.

Ny fandraisana na ny fandikana sasany momba ny lovantsofina na ny fitovizan' ny kolontsaina malagasy amin' ny fanao resahina ao amin' ny Baiboly dia matetika mifototra amin' ny hevitr' olona samirery ary tsy ampy hatao porofo ara-tantara. Afaka miseho ao amin' ny kolontsaina samihafa ny fanao mitovy na dia tsy misy ifandraisany ireo kolontsana ireo.

Tsy mifanandrify ara-potoana eo amin' ny lovantsofim-piaviam-poko sy ny tantara iarahan' ny mpahay tantara manaiky momba ny tontolo jiosy (sy Semita, amin' ny ankapobeny)[9].

Ao koa ny fifanoheran' ny porofo aroson' ny antokon' olona samihafa izay samy milaza ny tenany fa Jiosy;

Fifanoherana amin' ny zava-pantatra momba ny fototarazo

hanova

Ny fanadihadiana momba ny fototarazo natao tamin' ny vahoaka malagasy dia mampiseho fa betsaka ny marika ara-pototarazo avy amin' ny Aostrôneziana (indrindra avy any Insolindia sy Indônezia ankehitriny) sy Afrikana (indrindraindrindra avy atsy Afrika Atsinanana sy Atsimo-Atsinanana). Ireo fanadihadiana ireo dia mametraka mazava tsara ny onjam-pifidra-moninana nankaty Madagasikara.

Na dia nahitana soritra kely aza ny mari-pamantarana fototarazo mety mifandray amin' ny faritra Atsinanana Afovoany araka ny fanadihadiana sasany, dia ambany dia ambany ny tahan' izy ireo ary tsy ahafahana manatsoaka hevitra fa misy ny fandraisana anjara lehibe eo amin' ny lova ara-pototarazo malagasy. Ireo soritra kely ireo dia azo hazavaina amin' ny alalan' ny fifandraisana ara-barotra na amin' ny alalan' ny fifindra-monina voafetra izay tsy misy lanjany firy.

Olana eo amin' ny fandikana ny lovantsofina

Ny lovantsofina am-bava ampitaina amin' ny taranaka mifandimby dia mety hiovaova, mety hiharan' ny fampifanarahana amin' ny zava-misy na hiharan' ny fanamboamboaraba fanatsarana rehefa mandeha ny fotoana. Sarotra noho izany ny mihevitra azy ireo ho vavolombelona ara-tantara azo itokisana raha tsy hanamafisina amin' ny loharano hafa.

Ny fandikana ny lovantsofina am-bava dia matetika miankina amin' ny toe-javatra ara-kolontsaina sy mety ho azon' ny fitongilanan' ny mpandika. Mety ho raisina amin' ny fomba diso sy hanaovana fanatsoahan-kevitra diso ny fitovizan-javatra amin' ny fitantaran'ny Baiboly.

Ny lovantsofina sy ny tantaran-drazana maro dia tokony horaisina amim-pandanjalanjana noho izy ireo mifangaro angano na fedrà[5].

Fampifangaroana ny fitaomana ara-kolontsaina sy ny fiaviana ara-poko

hanova

Ny singa ara-kolontsaina, toy ny fanao ara-pivavahana, ny teny na ny teknika, dia mety hiely amin' ny alalan' ny varotra, ny fifandraisan' ny kolontsaina na ny fifindrà-monina voafetra, dia tsy midika fiorenam-ponenan' olona marobe na fiaviana ara-poko iraisana.

Nifandray tamin' ny Arabo i Madagasikara, indrindra fa tamin' ny alalan' ny varotra taty amin' ny Ranomasimbe Indianina. Izany dia nitarika ny fielezan' singa ara-kolontsaina arabo sasany, toy ny finoana silamo tany amin' ny faritra sasany na ny findraman-teny. Tsy midika anefa izany fa Arabo ny Malagasy.

Fanaovana ho fitaovana ara-pôlitika sy ara-tsôsialy

hanova

Ny filazan' ny tena fa manana fiaviana jiosy na hebreo dia azo ampiasaina indraindray ho amin' ny tanjona ara-pôlitika na ara-tsôsialy, mba hitakiana ny maha ara-dalàna sy ny fananan-daza na ny fifandraisany amin' ny tantara heverina fa tranainy kokoa na tsara kokoa.

Ireo fanodinkodinana ny firazana ireo dia mety handray anjara amin' ny fanaparitahana vaovao tsy marina sy fampifangaroan-javatra momba ny tena fiavian' ny Malagasy.

Ny zavatra tsy fantatry ny Malagasy talohan' ny fidiran' ny kristianisma

hanova

Betsaka ny zavatra mamaritra ny maha Jiosy na ny maha Hebreo no tsy fantatry ny Malagasy talohan' ny fidiran' ny kristianisma

  • ny tsy nahalalan' ny Malagasy ny teny hoe יְהוּדִים / Yehudim ("Jiosy" na "Jody") sy עברים /'ʿIvrim ("Hebreo" na "Hebrio") izany talohan' ny nahatongavan' ny fivavahana kristiana teto Madagasikara. Marihina fa ny Arabo dia manao ny Jiosy hoe يهود / Yahudi sy ny Hebreo hoe عبرانيون / Ibrani[9];nefa tsy hita taratra ao amin' ny fiteny malagasy izany.
  • ny tsy fahafantarana tamin' ny vanim-potoan' ny tantaran' ny Malagasy ny toerana manan-danja indrindra (anisan' izany ny sinagôga) sy ny andro manan-danja indrindra (anisan' izany ny Sabata) eo amin' ny fiainan' ny Hebreo na Jiosy, izay anisan' ny fototra eo amin' ny kolontsaina jiosy;
  • ny fanompoan-tsampy manerana an' i Madagasikara tamin' ny vanim-potoana faha mpanjaka izay tsy nisy fihenany raha tsy taorian' ny nidiran' ny finoana kristiana teto Madagasikara, nefa misy milaza fa nenjehina noho ny fifikirany tamin' ny fivavahany ny Jiosy sasany na izy rehetra izay nifindra monina aty Madagasikara[10].

Jiosy malagasy ara-pivavahana

hanova

Jiosy ara-pivavahana

hanova

Tamin' ny taona 2020 dia nisy raby belza nanangana yeshiva (sekoly talmodika), izany dia mampiseho ny fanirian' ilay vondrona hampivelatra sy hampitombo ny fahalalany momba ny fivavahana nosafidiny. Ny fikambanana jiosy iraisam-pirenena, toa ny Kulanu, dia manohana ny vondrom-piarahamonina jiosy eto Madagasikara, indrindra amin' ny fanabeazana sy ny fivavahana.

Amin' izao fotoana izao dia misy ny Malagasy izay tsy azo iadian-kevitra ny maha Jiosy azy amin' ny alalan' ny fiovana finoana ho amin' ny fivavahana jiosy[11].

Ny vondrom-piarahamonina jiosy eto Madagasikara amin' izao fotoana izao dia vokatry ny fiovam-pinoana ho amin' ny jodaisma ôrtôdôksa izay nitranga tao anatin' ny taona vitsivitsy. Tamin' ny taona 2010 dia nisy vondron'olona manodidina ny zato nanomboka fiovam-po, izay natanterahina tamin' ny fomba ôfisialy tamin' ny taona 2017 tamin' ny fahatongavan' ny raby ôrtôdôksa telo.

Tsy ny fananana razambe na ray aman-dreny jiosy ihany fa ny fiovana ho amin' ny jodaisma mantsy dia ampy haha Jiosy ny olona iray araka ny lalàna israeliana. Io fepetra io no mampalalaka ny fitomboan' ny isan' ny Jiosy malagasy ara-pivavahana[12].

Jodaisma eto Madagasikara

hanova

Fantara amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny jodaisma eto Madagasikara tamin' ny taona 2016. Amin' izao fotoana izao dia mitombo isa ny Malagasy miova finoana ho amin' ny fivavahana jiosy[13][14]. Nanomboka tamin' ny taompolo 2010 no tena nahafantarana ny fisian' ny Malagasy heverina fa manaraka ny jodaisma[15]. Ao amin' ny ny jodaisma mesianika anefa ny maro amin' izy ireo izay tsy eken' ny Jiosy ôrtôdôksa ho firehan' ny jodaisma[16]. Nifandray tamin' ny Kulanu any New York, Etazonia ny mpikambana amin' ireo fikambanana ireo[17]. Vao tamin' ny 2016 no nisy Malagasy noraisina ho amin' ny jodaisma araka ny fomba jiosy mahazatra, niseho eo anatrehan' ny vondrona raby tao amin' ny trano fandraisam-bahiny Le Pave ao Antananarivo, sady nasaina nilona amin' ny renirano mba hadio ara-pivavahana[18]. Raby telo avy amin' ny jodaisma ôrtôdoksa no nitarika izany. Manakaiky kokoa ny Jiosy sefarada ireo Malagasy nisafidy hanaraka ny jodaisma rabinika ireo.

Rohy ivelany

hanova

Lahatsoratra

Sary mihetsika

Jereo koa

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. Dolsten, Josefin (25 November 2016). "In Madagascar, 'world's newest Jewish community' seeks to establish itself". Jewish Telegraphic Agency. Retrieved 24 March 2017.
  2. Devir, Nathan (2018). "Propagating Modern Jewish Identity in Madagascar: A Contextual Analysis of One Community's Discursive Strategies". Connected Jews: Expressions of Community in Analogue and Digital Culture. Liverpool University Press..
  3. Miles, William F.S. (December 2017). "Malagasy Judaism: The 'who is a Jew?' conundrum comes to Madagascar". Anthropology Today. 33 (6): 7–10..
  4. "Le Malgache - la création et l'Homme paradigmatique" Archived Oktobra 4, 2018 at the Wayback Machine - Elishean
  5. 5,0 et 5,1 "Le peuplement de Madagascar - Des migrations et origines mythiques aux réalités de l’histoire" PDF.
  6. "Jiosy ve ny Malagasy ?" in Ratefy Tolotra, TANIKO Madagascar.
  7. "Mysterious Madagascar Community Practicing Jewish Rituals Officially Enters Covenant of Abraham" - Breaking Israel News
  8. Jereo ny pejy ao amin' ny Wikipedia frantsay: "Migrations juives à Madagascar".
  9. 9,0 et 9,1 "Le secret malgache"- The Jerusalem Post (notsidihina tamin' ny 20/11/2018)
  10. Jereo ny tantaran' ny Fanjakana Merina.
  11. "Are Jews a Religious Group or an Ethnic Group?" (PDF). Institute for Curriculum Services.
  12. "In remote Madagascar, a new community chooses to be Jewish" - The times of Israel.
  13. "Are Jews a Religious Group or an Ethnic Group?" (PDF). Institute for Curriculum Services.
  14. "In remote Madagascar, a new community chooses to be Jewish" - The times of Israel.
  15. Josefson, Deborah (5 June 2016). "In remote Madagascar, a new community chooses to be Jewish". Jewish Telegraphic Agency. Notsidihina tamin' ny 24 Marsa 2017.
  16. Kestenbaum, Sam. "'Joining Fabric of World Jewish Community,' 100 Convert on African Island of Madagascar". The Forward. Retrieved 2018-09-26.
  17. Ny Kulanu dia fikambanana jiosy manentana momba ny fiovam-pinoana ho amin' ny jodaisma sy manohana ireo Jiosy tsy afa-mifandray amin' ny namany ary mikarakara ny fampodiana ny Jiosy any an-taniny.
  18. Josefson, Deborah (5 June 2016). "In remote Madagascar, a new community chooses to be Jewish". Jewish Telegraphic Agency. Notsidihina tamin' ny 24 Marsa 2017.